<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><title>He! Hianareo rehetra izay mangetaheta TS10</title>
<lyrics>[V1]
 He! Hianareo rehetra izay mangetaheta,
 Mankanesa amin'ny rano!
 Ary ianareo izay tsy manam-bola,
 Avia, mividia, ka homàna!

[V2]
 Eny, avia, mividia divay sy ronono,
 Nefa tsy amim-bola, na amin-karena.
 Nahoana ianareo no mandany vola amin'izay tsy hanina,
 Ary ny vokatry ny fisasaranareo amin'izay tsy mahavoky?

[V3]
 Mihainoa dia mihainoa Ahy, ka hano izay tsara,
 Dia aoka hiravoravo amin'ny matavy ny fanahinareo
 Atongilano ny sofinareo, ka mankanesa aty amiko,
 Mihainoa, dia ho velombelona ny fanahinareo;

[V4]
 Ary hanao fanekena mandrakizay aminareo Aho,
 Dia ny famindram-po mahatoky nampanantenaina an'i Davida.
 Mitadiava an'i Jehovah, dieny mbola hita Izy,
 Miantsoa Azy, dieny mbola akaiky Izy.

[V5]
 Aoka ny ratsy fanahy hahafoy ny lalany,
 Ary ny tsy marina hahafoy ny heviny;
 Ary aoka hiverina ho amin'i Jehovah ireny,
 Fa hamindra fo aminy Izy.

[V6]
 Eny, ho amin'Andriamanitsika,
 Fa hamela heloka dia hamela heloka tokoa Izy.
 Fa ny fihevitro tsy fihevitrareo
 Ary ny lalanareo kosa tsy mba lalako, hoy Jehovah.

[V7]
 Hisaorana anie ny Ray sy ny Zanaka,
 Ary ny Fanahy Masina;
 Eny, hisaorana sy hankalazaina anie
 Andriamanitra mandraki-zay. Amen.</lyrics>
<hymn_number>10</hymn_number>
</song>